Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-4

8 Indray andro Elisea nandalo tany Sonama. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo, ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisafako.

9 Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy: Indro fantatro fa olo-masin'Andriamanitra iny mpandalo eto amintsika matetika iny. 10 Ka handeha isika hanao efitrano kely avo manolotra ny rindrina, ho azy, dia hasiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy, mba hihatahany isaky ny tonga aty amintsika izy. 11 Dia tonga tao Sonama Elisea indray andro ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano avo sy nandry tao. 14 Ary hoy Elisea: Ka inona ary no hatao ho azy? Dia hoy ny navalin'i Giezi: Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra. 15 Ary hoy Elisea: Antsoy ary izy. Dia nantsoiny izy ka nijanona teo am-baravarana; 16 ka hoy Elisea taminy: Raha afaka herintaona amin'izao fotoana izao dia hisafosafo zazalahy hianao. Fa hoy izy: Tsia, aza dia laingainao ny ankizivavinao, ry olon'Andriamanitra tompoko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0445